Nanomboka omaly, notarafin’ny jiro maka ny lokon’ ny Vondrona Eoropeanina ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, etsy Analakely. Nentina nanamarihana ny “Andron’i Eoropa”, izay mitohy ho “Herinandron’
i Eoropa” izany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lafiny zavakanto, ka anisan’izany ny hetsika izay hotontosaina eo amin’ ny tokotanin’ny Lapan’ny Tanàna, rahampitso 11 mey.
Hisy ny fampirantiana ireo tetikasan’ny Vondrona Eoropeanina, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Handravaka ny fotoana kosa ny slam entin’i Caylah ny atoandro, izay arahin’ny fanomezana ny loka tamin’ ny fifaninanana saripika, nokarakaraina mialoha. Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fandefasana ny horonantsary momba ny Vondrona Eoropeanina. Hotohizan’i Nully, Marco ary Driwna amin’ny fampisehoana mozika izany. Elanelanin’i Navalona sy Hazel amin’ny slam ihany koa.
Zo ny Aina