43 taona no nampidiran’ny Grand Maître Pierre Mizael (Pierre Be) ny Kung-fu Wisa voalohany teto Madagasikara. Nanombohana ny fotoam-pankalazana ny fanomezana ra ho an’ny vahoaka malagasy. Nanaovan’izy ireo izany ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy. 2 000 eo ho eo ireo mpanome ra avy eto Analamanga, Boeny, Itasy, Bongolava sy toerana hafa. Ho an’Analamanga, notanterahina teny amin’ny hopitaly CHU HJRA Ravoahangy Andrianavalona, Ampefiloha, izany, ny sabotsy 6 mey lasa teo. Navitrika ny mpanao Kung fu tany amin’ny faritra nanome ra, hany ka tsy naharaka ny paosin-dra.
Nanambara ny Grand Maître Avoko, filohan’ny federasionan’ny Kung-fu izay nitarika ny hetsika fa hotohizana amin’ny fitetezam-paritra ny fankalazana. Nohamafisiny fa miray feo tanteraka ireo mpanao Kung-fu fahiny sy ireo mpikambana ankehitriny. Manamafy ny firaisan-kinan’izy ireo.
“Mifohaza ry Gasy”
Nampahafantatra ny Grand Maître Avoko fa miverina ny “Mifohaza ry Gasy”, fandaharana mandeha ao amin’ny pejy facebook. Tanjona ny fanampiana sy torohevitra ho an’ny Malagasy amin’izao fahasarotan’ny fiainana sy fahasahiranan’ny firenena izao.
Tsiahivina, amana hetsiny ny isan’ny mpanao Kung-fu manerana ny Nosy. Anisan’ny fitsipika mifehy azy ireo ny tsy fahazoana mihinana sy mikasika zava-mahadomelina, izay toe-javatra tena mitranga amin’izao vanim-potoana iainana izao. Nilaza, araka izany, ny Grand Maître Avoko fa hitohy hatrany ny fitaizana mba hananana olom-banona hoavin’i Madagasikara mahomby.
Mi.Raz