Jiolahy mpamaky trano 15 mianadahy voasambotra tao Sambava, omaly. Nanao hetsika nandritra ny telo andro ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nitrangana vaky trano matetika tao amin’ny fokontany Ambodisatrana-Antanifotsy-Ambiha. Niara-nientana ny andrimasom-pokonolona. Nahitam-bokany avy hatrany izany. Nahatrarana entana halatra fampiasa ao an-dakozia izy 15 mianadahy. Nahitana kidoro sy bisikileta tao amin’ireto mpangalatra. Natao famotorana avokoa ireo voasambotra. Nogiazana ny entana halatra. Nanamafy ny fanentanana ny fokonolona ifotony mba hizara loharanom-baovao hatrany, ahafahana misambotra ireo jiolahy, ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandary Sambava.
Tsiferana R.