Mozika Akostika: hiaka-tsehatra indray i Mami Bastah

Hanatanteraka fampisehoana ho an’ny eto Antana­na­rivo, ny takarivan’ny zoma 12 mey 2023, ao amin’ny Le Zoma Antaninandro, i Mami Bastah. Seho miavaka, hikaloany ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay, miaraka amin’ny zavamaneno fi­tendriny no hasehony amin’ io fotoana io. “Mpanakanto efa tsy zoviana amin’ny maro intsony no hiaka-tsehatra amin’io fotoana io ary efa vonona ny rehetra hiatrika fampisehoana mahafinaritra”, hoy ny mpikarakara.
Hiara-paly sy hikorana amin’ny mpankafy azy in­dray i Mami Bastah, mandritra ity fampisehoana ity. Handre ny hira nahafantarana azy, toy ny “Rafianara­na”, “Mariazin’olon-tiana”, “Mila vonjy”… indray ny mpankafy azy amin’io fotoana io. Tsy miova fa Mami Bastah ranoray, miaraka amin’ny gitara sy ny zavamaneno efa nahafantarana azy hatramin’izay no haneho seho an-tsehatra miavaka amin’io fotoana io. Tsy voakosoka ny kanto sy ny mozika nataon’i Mami Bastah, na eo aza ny vanim-potoana sy ny mozika voizina ankehitriny.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: