Mpiadina BEPC : nisy fizaham-pahasalamana indroa

21 334 ny isan’ny mpiadina hanala BEPC, miatrika taranja adina ara-panatanjahantena eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitotaly 25 001 ny mpiadina rehetra amin’ity taona ity. Iray amin’ny foibem-panadinana ny kianjan’Ala­ro­bia, mandray ny mpiadina nanomboka afakomaly ha­tramin’ny zoma. 4 086 ny mpiadina hiatrika ny fanadinana ao amin’ny lycée Nanisana, CEG Nanisana sy ny CEG Avaradoha, avy amin’ny boriborintany fahadimy no miadina eny Ala­ro­bia, noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa eny amin’ny sekoly sy ny manodidina, hoy ny filohan’ny foibem-panadinana, Randrianarivo Falimanana Jacobson. Nan­dritra ny andro voalohany, 10 tsy niatrika ny adina ka valo tsy tonga fa ny roa teny ihany saingy tsy salama.

Tsy nisy ny olana nandritra ny roa andro voalohany. Efa nandray fepetra rahateo ny mpampianatra fanatanjahantena rehetra isorohana ny olana miseho isan-taona. Nisy ny fizaham-pahasalamana faobe ho an’ny mpiadina rehetra, herinandro mialoha ny fotoana hanatanterahana izany eny an-kianja. Fizahana faharoa taorian’ ny fizahana voalohany ata­on’ny mpitsabo anatin’ny fikarakarana ny antotan-ta­ratasim-panadinana, telo volana mialoha.

Fanamarinana ny toe-pahasalamana no hamafisina herinandro mialoha. Na­no­me tolo-kevitra ny fizaham-pahasalamana, herinandro mialoha tahaka izao, ho an’ ny fanadinana bakalorea koa ireo mpampianatra.
Marihina fa tamin’ity BEPC 2023 ity vao niverina ny lalao ataon’ny ekipa amin’ ny taranja baolina kitra, basikety, handball, volley ary rugby. Sokajy telo no hanadinana ny mpiadina rehetra, lalao ataon’olon-tokana (gymnastique, lomano, saut en hauteur…), hazakazaka 60m.

29 ireo olona misahana ny fampandehanana ny adina ao anatin’ny herinandro eny amin’ny kianjan’ Ala­robia.

Vonjy A.

Partager sur: