Naiditra am-ponja etsy Antanimora, afakomaly, ny lehilahy iray mpisoloky. Efa nanambaka olona tany amin’ny faritany izy. Nifarana hatreo ny asa ratsiny, rehefa voasambotra.
Nanomboka tany Farafangana sy Fianarantsoa, maka vola amin’ny olona sendra azy izy ka milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana. Anisan’ny handrobohany ny lasibatra ny filazany fa mahafantatra olona ao amin’ny minisiteran’ny Vola izy. Maka lelavola mitentina 1 tapitrisa Ar ho saran’ny fampidirana hiasa ao amin’io ministera io izy. Manjavona ilay mpisoloky aorian’ny fahazoany ny vola.
Nivadika taty an-dRenivohitra indray izy nanohy ny fisolokiana. Vehivavy miisa dimy nahazoany vola mitetina an-tapitrisany. Nangalany 300 000 Ar hatramin’ny 1 350 000 Ar, ireo mpitady asa. Voasambotra ny herinandro lasa teo ilay mpisoloky, rehefa nitaraina teny anivon’ny manam-pahefana ireo lasibatra. Nidoboka am-ponja ao Antanimora taorian’ny fitsarana azy ny 8 mey teo.
Olona 40 hafa koa voasoloky…
Fa tratran’ny polisy ao amin’ny kaomisaria foibe Toamasina, afakomaly, koa ny lehilahy iray mpisoloky milaza afaka mampiditra olona hiasa amina orinasa iray ao an-toerana. Fitoriana dimy momba ny lehilahy iray voalaza fa maka vola aman’olona mitentina 200 000Ar mba hampidirana azy ireo hiasa amina orinasa iray no nampihetsika ny polisy kaomisaria foibe ao Toamasina. Niroso tamin’ny fanadihadiana rehetra ny polisy ka nahazo vaovao marim-pototra momba ity raharaha ity. Natao ny vela-pandrika ka lehilahy iray tratra tao an-tranony eny Cité Valpinson Ankirihiry. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ ny polisy fa tsy an’asa ka mahatonga azy manao izao asa fisolokiana olona izao. Omeny toky ireo olona fa vantany vao mandoa ilay vola dia tafiditra miasa avy hatrany. Nambarany tamin’ny polisy fa olona 40 no efa voasoloky. Tsy misy akory anefa ilay asa.
Tsiferana R./Jean Claude