Natolotra ny fitsarana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy mpitantana Cybercafé iray eny Tanjombato, voarohirohy ho tompon’antoka tamina taratasy hosoka fanaovana pasipaoro. Voasambotry ny polisy avy amin’ny «Service central des enquêtes spécialisées» (SCES) Anosy, ny zoma lasa teo, izy roa lahy. Tonga tao amin’ny biraon’ny polisy misahana ny pasipaoro ny vehivavy iray niaraka tamin’ny antontan-taratasy hanaovana pasipaoro, ny alakamisy teo. Rehefa nohamarinina ireo antontan-taratasy teny aminy, nahitana «attestation de travail, attestation d’hébergement» hosoka. Rehefa nohadihadiana tao amin’ny SCES izy dia nilaza fa novidiany 1 500 Ar tao amina Cybercafé iray eo Tanjombato ireo taratasy hosoka ireo. Ny zoma, nidina teny Tanjombato ny polisy nanamarina izany. Hita tokoa ilay Cyber nolazain’ ilay vehivavy. Natao ny vela-pandrika ka voamarina tokoa fa mivarotra taratasy fikarakarana antontan-taratasy maro ity Cybercafé ity. Nosamborina avy hatrany ilay tompon’ny Cyber sy ilay mpiasa tao ka nentina natao famotorana teny amin’ny polisy. Samy niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana natao azy ireo. Nambaran’izy roa lahy fa rehefa misy olona tonga manao “scan” ao amin’izy ireo dia iny no alain’izy ireo hanamboarana taratasy hosoka ho an’izay mila izany fa soloina fotsiny ny anarana sy ny fitomboka.
Jean Claude