Tandindonin-doza !

Mizotra mankaiza ary ity firenena ity? Mahavalalanina ny fivoaran’ny fiarahamonina. Mijininika hatrany ny ra na an-drenivotra na any ambanivolo. Samy manampatra ny heriny avokoa izay manana ny hery na mahita hirika hanaovana izany. Mahoraka ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony mihitsy ny fokonolona, raha vao mahita fomba hamonoana izay tratra manao ratsy. Tsy misy marisika handeha hitory izany intsony ny olona. Sady lany fotoana no mbola lasibatry ny kolikoly (?). Trangam-piarahamonina, iarahan’ny rehetra mahita izany.
Ny manampahefana etsy ankilan’izany, manome vahana ny famonoana an-kitsirano izay tratra manao ratsy ihany koa. Marina fa zony tanteraka ny mitifitra izay mamaly ka mametraka ny fiainany ho tandindonin-doza eo am-panatanterahana ny asany, na ilay « fiarovan-tena » izany. Tsy midika ho fandikan-dalàna izany raha voahaja ny dingana isan’ambaratongany. Ny mampametra-panontaniana dia ilay izy matetika. Lazaina fa nikasa ny handositra sy nitifitra avy hatrany izay jiolahy heverina ho mahery vaika?
Ankoatra ireo, mampiteny ny moana ny fisian’ny « milisy » miforona etsy sy eroa. Tsy mihanona amin’ny fikambanan-jiolahy tsotra fa mivadika ho hery mihantsy sy mamono ny solontenam-panjakana. Mazava ho azy, miteraka fifandonana sy fifamonoana izany. Na ho an’ny samy sivily na sivily sy mpitandro filaminana. Ilay maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara mihitsy no lasa baraingo. Toa samy mitondra ny lohany sy izay saim-pantany daholo ny olom-pirenena tsirairay.
Ny tena mahavariana amin’izao fotoana izao, miseholany tsikelikely ny fivoizana ny resa-pihaviana sy ny resa-poko, manerana ny Nosy. Misy sokajin’olona, tsy mazavazava filalao politika ka mandrangaranga resaka saropady tahaka izany. Na itony fananganana ny Antenimiera iraisan’ny foko rehetra eto Madagasikara aza mahasanganehana ny miresaka azy. Voizina ny famerenan-kasina ny maha Malagasy. Ventiventesina ny fampiraisam-po sy ny fihavanana, kanefa poizina iray mety mandrava fiarahamonina ny fanononana foko izany. Hatrany amin’ny olona heverina fa malala-tsaina sy avara-pianarana aza mandrangaranga izany. Zary fitaovana politika ho an’ny sasany izany.
Eo indrindra ny mila mitandrina ny Malagasy tsivakivolo. Mivoaka tsikelikely ny resaka tetezamita sy ny Repoblika fahadimy. Midika izany, mbola fanontaniana ilam-baliny ny mikasika ny fifidianana. Mandindona ny ho fisian’ny krizy politika goavana izay azo atao tsara ny misoroka azy. Manoloana izany, mila mitandrina avokoa ny Malagasy tsivakivolo, satria efa tandindonin-doza rahateo ilay fiarahamonina tena tsapa fa marefo.

r.r

Partager sur: