Tokantrano iray saika niharan’ny fanafihana mitam-piadiana , omaly alina , tetsy Tsiadana. Nifanehitra tamin’ ny polisy mpanao fisafoana teny an-toerana ny jiolahy roa. Nandositra avy hatrany izy ireo rehefa nahita ireo mpitandro filaminana. Raikitra taorian’izay ny fifanenjehana sy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nirefodrefotra ny basy ary namaly tifitra ihany koa ireo jiolahy nandritra izany. Nampiasa basy vita tanana izy ireo entiny manao asa ratsy. Vokany, voatifitry ny polisy ireo olon-dratsy ka maty tsy tra-drano. Efa eny amin’ny tranom-paty kosa ny razana amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy hatrany ny fisafoana sy ny fikarohana ary ny fandringanana ny andian-jiolahy manerana ny Nosy izay ataon’ny mpitandro filaminana.
Mino (mpianatra asa)