Areti-mandoza : andairan’ny lefakozatra ny olon-dehibe

“Efa tsy ireo zaza intsony fa azon’ny lefakozatra hatramin’ny olon-dehibe amin’izao fotoana ”, hoy ny teknisianina eo anivn’ny DPEV, Dr Ranivoarison Jean Eric.

“Nalemy teo am-pandriana ka niafara tamin’ny famoizan’aina avokoa ireo olon-dehibe tratran’io aretina io teto Analaman­ga”, hoy ny fanamafisany. Hiadiana amin’ny fiparitahan’io valanaretina io, hisy ny hetsika vaksiny faobe ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ato ho ato. Ho tanterahina manerana ny Nosy, mandritra ny 16, 17, 18, 19 mey izao io fanaovam-baksiny faobe io. Zaza maherin’ny 5 371 900 no kendrena amin’izany hetsika izany. Hiparitaka manerana ny distrika eto an-toerana, hisy ny fitetezana eny an-tokantrano ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Hisorohana io aretina io, vahaolana ny fanentanana ny olona tsirairay amin’ny fampiasana lava-piringa ara-pahasalamana. “Mita­rika ny aretina lefakozatra ny fihinanana tay tsy nahy”, hoy ny teknisianina eo anivon’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana. Tsy misy fanafody mahasitrana azy, fanefitry ny lefakozatra hatreto ny fanaovam-baksiny. Ny ankamaron’ny Malagasy izay mbola miaina anaty loto sy ny fangerena ankalamanjana. “To­kony hialana noho izany io fahazaran-dratsy io ary entina manao vaksiny ny zaza”, hoy izy. Miara-mientana amin’izy ireo amin’ny fanatanterahana ity vaksiny faobe ity ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Unicef.

Tsiferana R.

Partager sur: