Cinem’alliance : nizara ny fahaiza-manaony Andrianambonisoa Yannick

Tombony ho an’ny rehetra ny hetsika fifampizarana sahala amin’izao, araka ny nambaran’i Yannick Andriambonisoa. “Ilaina hatrany ny mivelatra amin’ny manodidina mba hahazoana traikefa sy fahaiza-manao vaovao”, hoy ity tanora malagasy mpanatontosa ity.

Nitafa sy nizara traikefa sy fahaiza-manao ta­min’ny tanora maro, niatrika ny atrikasa “Firafitry ny sary” Andrianambonisoa Yannick, omaly. Teny amin’ny AFT Andavamamba no nanatanterahana ny hetsika, tafiditra ao anatin’ny «Ci­nem’alliance», fanaon’ny AFT ho fampiroboroboana ny tontolon’ny horonantsarimihetsika malagasy. Nisy ihany koa ny fandefasana ny sombiny amin’ny horonantsarimihetsika “Barry Lyndon”, no­tontosain’i Stanley Kubrick. Ireo tanora misehatra eo
amin’ny tontolon’ny saripika sy horonantsarimihetsika no tonga maro, namaly ny antso.
Ny fototra eo amin’ny fakana sary no tena nampi­tain’i Yannick Andriambo­nisoa, nandritra ny atrikasa, omaly. Tafiditra tao anatin’izany ny fomba fakana sary, ny singa rehetra tokony ho hita ao anatin’ny sary iray ary ny fipetraky ny singa tsirairay avy. “Tombony lehibe ho anay tanora vao misandratra ny mahazo ny fizarana amin’ny fahaiza-manaon’ny matihanina eo amin’ny sehatra misy anay,” hoy i Tolotra, mpaka sary. Na dia efa maro aza ny sehatry ny matihanina efa nodiavina, misy hatrany ny fahaiza-manao vaovao azo mandritra ny fifampizarana sahala amin’itony, araka ny nambaran’i Yannick Andria­nambonisoa. “Ezahina ny hisian’ny hetsika fizarana sy fifampizarana sahala amin’izao, ho fampiroboroboana ny tontolon’ny horonantsarimihetsika malagasy”, hoy ny mpikarakara.
Anisan’ny tanora Mala­gasy efa tafakatra eny amin’ny tendron’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika mala­gasy raha Andrianambonisoa Yannick Tojoniaina. Mpana­tontosa voalohany, nahazo ny “IFM Lab”, izay tosika ho an’ny tanora manana tetikasa mendrika eo amin’ny tonto­lon’ny horonantsarimihetsika, izy. Laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana “Prix Pa­ritana 2020”, ary anisan’ny mpandresin’ny “Madagas­court Film Festival” andiany faha-13 tamin’ny alalan’ny sombin-tantara “Tantara”.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: