CUA sy ny boriborintany: hohamafisina ny fahaiza-manao

Notanterahina ny 9 sy 10 mey teo, tetsy amin’ny trano fivorian’ny biraon’ny Kaomi­nina Antananarivo Renivo­hitra, ny atrikasa momba ny drafitra fanamafisana fahaiza-manao « Plan de renforcement de capacité ». Iarahana amin’ireo eny anivon’ny boriborintany enina izany.
Miisa 11 ireo drafitra no­dinihina nandritra ny roa andro ho an’ireo fitaleavana dimy ao amin’ny kaominina. Hirosoana avy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa, voarakitra ao anatin’izany drafitra izany, aorian’ny fankatovana. Eo ny lafiny fiofanana sy ny tantsoroka. Ma­nampy izany ny fampitaovana sy ny lafiny teknika.
Namolavola izao atrika izao ny kabinetra « Mahefa­soa ». Teo koa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny CUA sy ny boriborintany voakasika.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Gouver­nan­ce Urbaine du Grand Antananarivo – GUGA” sy ny Lalankely III, vatsian’ny AFD vola izao tetikasa izao.

Synèse R.

Partager sur: