Tsy eto an-drenivohitra ihany! Nahatratra jiolahy iray teo am-panapahana taribin-jiron’ny Jirama ny zandary raha sendra nanao fisafoana tampoka tao amin’ny fokontany Ampasikibo/ Toliara I, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Nosamborina avy hatrany ity jiolahy ity, hita nandritra ny fisavana azy ny famaky iray niaraka tamin’ny kitapo nisy taribin-jiro mirefy 10 m. Nentina nanaovana fanadihadiana ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toliara izy ka nandritra izany no nanononany ny namany iray mpiray tsikombakomba aminy. Nidina ifotony ny zandary ka tratra tao an-tranony izy. Nampandrenesina avy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Jirama ao Toliara, ka voamarina tokoa ny fisian’ny halatra tariby. Nametraka ny fitoriana ny Jirama ka natolotra ny fampanoavana izy ireo taorian’ny famotorana. Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Antony iray mahatonga ny fahatapahan-jiro lavareny koa ny ataon’ireo jiolahy toy izao.
Jean Claude