Tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fanokafana ny vavahadin-tsain’ny zaza, raha ny lohahevitra noresahin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), omaly.
Tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka izany, ny sakafo ampy sy iankinan’ny fitomboan’ny zaza na ara-tsaina na ara-batana ao anatin’ny enin-taona voalohany hanokafana ny vavahadin-tsainy.
Tombontsoa amin’ny fikoloana ny sain’ny zaza dieny kely ny fanampiana azy amin’ ny fivelaran-tsaina, fivelaran’ny vatana ary manamafy ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Manampy amin’ny fivoaran’ny fiteny sy ny fihetseham-po ihany koa ny fanokafana tsikelikely ny vavahadin-tsain’ny zaza. Ankoatra izany ny firoborobon’ny fahaleovan-tena sy fahatokisan-tenany.
Endrika maro no hatao hanatanterahana ny paikady ho amin’izany dia ny filalaovana ny karazan-kilalao samihafa sy maro loko. Tsy avela hilalao irery ny zaza fa hazavaina aminy ny fomba tsotra hilalaovana ireo kilalao ananany.
Ampanarahina ny taonan’ny zaza ny kilalao omena azy. Ilaina koa ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny resaka, hirahira ho an’ny ankizy. Ankoatra izany ny famakiana boky.
Tanterahina amin’ny alalan’ny fihetsika mahavariana ny zaza ny fanaitairana ny saina. Avela hamantatra tsikelikely ny zava-misy manodidina azy koa ny zaza amin’ny alalan’ny fitsapana ireo karazan-kilalao, bozaka, tany, hazo… hanavahany ny toetry ny fitaovana hiseharany.
Tatiana A