Fiaraha-miasa : noderain’ny FMI ny filoha Rajoelina Andry

Nidera manokana ny fitondram-panjakana sy ny filohan’ny Repoblika ny talen’ny departemanta Afrika, eo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, i Abebe Selas­sie, teny Iavoloha, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Anisan’izany ny nahatanterahan’ny fanjakana ireo asa marobe na teo aza ny valanaretina. Notsindriny koa anefa ny tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka mom­ba ny fampandrosoana ny fambolena.
Etsy andaniny, voasokajy ho anisan’ireo firenena afaka misitraka « Fonds fiduciaire pour la résilience et la durabilité » avy amin’ny FMI i Madagasiraka. Anton’izany ny nananantsika ny lasitra eo amin’ny toekarena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Natao hamatsiana ireo fanavaozana sata ahafahan’ny fire­nena manana fahafaha-miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany vola izany.
Fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka
Voaresaka teo amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny fivoriana tombana andiany fahefatra momba ny Fec. Hodini­hi­na amin’izany ny fomba fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana sy ny fijerena ny fampidiram-bolam-panjakana, indrindra ny momba ireo vola avy amin’ny mpandraharahan’ny solika.
Notsiahivin’ny filoha kosa fa nanamafy ny fametrahana ny fanjakana manakaiky va­hoaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. Eo ny fa­nanganana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy : Sekoly sy efitrano fianarana, ny oniversite, ireo hopitaly, ny lalambe migodana voalohany eto Ma­da­gasikara ary koa ny fanombohana ny Pipeline Efaho.

Synèse R.

Partager sur: