Fifidianana tsy mitondra korontana : manana andraikitra goavana ny mpanao gazety

Manofana sy manabe ireo olom-pirenena handray andraikitra amin’ny fifidianana ny Safidy (Sampana Anaraha-maso ny Fifidiana­na Ivon’ny Demokrasia Ifa­rimbonana). Nifarana omaly, tetsy Antananinarenina, ny atrikasa nokarakarian’izy ireo ho an’ny mpanao gazety, nandritra ny telo andro. Atrikasa mikasika ny paikadim-panabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handeha hifidy.
“Manana anjara andraikitra goavana ny mpanao gazety amin’ny alalan’ny fanapariahana vaovao mba tsy hitondra korontana eto amin’ny firenena ka antony nanaovana ny atrikasa”, hoy ny toniam-panatanteraka eo anivon’ny Safidy, Andria­moraniaina Harijaona. Ankoatra izay, manimba ny fanabeazana sy ny hetsika fanentanana amin’ny fifidianana ny fiparitahana vaovao diso. Miteraka olana ihany koa ny fahazoana loharanom-baovao eny amin’ny andrim-panjakana ankehitriny. Nilaza izy fa tokony hihatsara ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena, indrindra rehefa akaiky fifidianana toy izao, rehefa feno sy mazava ny vaovao voarainy.
Mitana ny laharana faha-101 amin’ny firenena 180 isika eto Madagasikara eo amin’ny fahalalalahan’ny asa fanaovan-gazety, raha ny nambaran’izy ireo. Tokony hisy ny ANRCM (Autorité nationale de régulation de la communication médiatisée) sy ny andinin-dalàna mifehy ny vanim-potoana mialohan’ny fampielezan-kevitra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: