Anisan’ny maty voatifitra ny lehiben’ny dahalo antsoina hoe Parfait. 20 lahy, nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo. Hihazo ny kaominina ambanivohitra Mahavelona Ankazobe ireo miaramila manao hetsika. Nifanehitra tampoka tamin’ireo olon-dratsy izy ireo. Raikitra ny sakoroka tao amin’ny fokontany Andriantsampana, kaominina ambanivohitra Mahabe, distrikan’Ambohidratrimo, ny 9 mey tamin’ny 5 ora maraina. Nifampitifitra ny dahalo sy ny mpitandro filaminana. Vokany, maty voatifitra ny efatra tamin’ireo dahalo. Nirifatra nandositra ireo dahalo hafa namany.
Parfait, dahalo raindahiny
Anisan’ny rotiky ny bala nandritra ny fifandonana ny lehiben’ny dahalo iray. Fantatra amin’ny anarana Parfait, efa tompon’antoka tamin’ny halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana tao anatin’io distrika io izy. Mpiara miasa aminy kosa ireto telo hafa niara-lavo. Mitohy ny hazalambo, arahin’ny mpitandro filaminana ireo dahalo nandositra. Noraisin’ny zandary an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha. Mitohy hatrany ny hetsika tselatra ataon’ny mpitandro filaminana. Hanaovana paikady manokana ireo toerana voasokajy ho faritra mena.
Tsiferana R.