Andro iraisam-pirenena ho an’ny hehy ny alahady 7 mey lasa teo. Ny sabotsy 13 mey izao kosa no hanamarika izany ireo mpanao hatsikana ampolony, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Fampisehoana hatsikana ranofotsiny, mandritra ny ora maromaro ary maimaimpoana no homanin’izy ireo amin’izany. Hitarika ireo tanora mpanao hatsikana ireo efa fanta-daza toa an-dry Riri sy Aldini, tarika Etsetra Etsetra sy i Barhone. Hifandimby ao kosa ireo vao misandratra kanefa efa mametraka ny anarany ihany koa, toa an-dry Aina Maharavo, Raytra Belawyck, Miranto Godar, Orima Sarobidy, Mah, Mamy Ralijaona, Falitiana Kely, Zina Rabedaoro, Sombiniaina Fotsiny, Hasimbolaniaina, Lanja Babeine ary Tsiresy Radilofera.
Ankoatra ny fampialana voly, fotoana iray hanomezana sehatra ireo mpanakanto mpanao hatsikana ihany koa io. Maro ireo manan-talenta, saingy tsy nanana sehatra firy nifehezany izany. Tsy mandeha ho azy anefa ny fametrahana ny laza eo amin’ity seha-kanto iray ity, satria vao diso fiditra fotsiny dia efa “tsy mampihomehy”, hoy ny fitenenana.
Zo ny Aina