Judo-Tompondaka eran-tany: hiditra an-tsehatra anio Rasoanaivo Laura

Nahavita ny fandanjana, omaly 10 mey, i Laura ary hifaninana anio, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg, Senior, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Judo. Fifaninanana izay efa nanomboka ny 7 mey lasa teo saingy anio ny anjaran’ny solontena malagasy. Araka ny fampitam-baovao, nigadona tany Doha Qatar, ny talata lasa teo, i Laura ary niatrika avy hatrany ny fanazaran-tena voalohany. Nitohy omaly izany fanazaran-tena izany, nialohan’ny nanaovana ny fandanjana. Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro teo dia efa fantatra izay hifanandrina amin’ity judokas malagasy ity. Hihaona voalohany amin’i Samardzic Alek­sandra (BOS), laharana faha-56 maneran-tany i Laura. Mpikatroka 49 ny hifanintsana eo amin’ny sokajy misy azy. Nanoman-tena mafy izy, ary vonona hiatrika ny fifaninanana goavana hatrehany anio, raha ny nambarany.
Etsy ankilany, ny 13 mey izao no hanao ny anjarany Ramiandrisoa Haingo, sokajy mihoatra ny 78 kg. Efa fantatra ihany koa ny mpifanandrina aminy, ahitana an’i Park Saetbyeol (COR). Mpi­katroka miisa 41 kosa ny hifa­nintsana eo amin’ity sokajin-danja misy an’i Haingo. Izy mirahavavy ireo no hiaro ny voninahi-pirenena, hany nahafeno ny fepetra takin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny Judo, izay mametra fa tsy maintsy tafiditra anatin’ny top 100 ny mpikatroka mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ity.

Mi.Raz

Partager sur: