Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny tetezamita sy ny mpirotsaka hofidina ho filoham-pirenena.
“Tsy mahasoa ny firenena ny tetezamita, fa ny fifandimbiasam-pahefana demokratika ihany. Tsy hitanay ny antony tsy hidirana amin’izay fifandimbiasam-pahefana demokratika izay”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filohany, i Namearison Norbert, teny Antanimena, omaly, momba ny toe-draharaham-pirenena. Tsy ho zakan’ny firenena intsony ny tetezamita sy ny korontana. Tsy hisy tombontsoan’ny vahoaka izany.
Tsy maintsy misy ny fifidianana. Tsy hoe tampoka izay, fa anjaran’ny fanjakana sy ny Ceni ny mamaha ny olana. Ny fanjakana no tompon’ny vola, ny Ceni no mitantana ny fifidianana. Tsy hanao fifidianana ny mpanao politika, safidiny izay. Misy koa ny mpanao politika mpikarama an’ady: tsy voafidy na hirotsaka ho filoham-pokontany aza; nefa mahazo toerana, rehefa misy Tetezamita.
Aoka izay ny fanaovana mpikaraman’ady politika
“Aoka izay ny fanaovana mpikaraman’ady politika”, hoy ny fanambaran-dry zareo hoe “Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena”. Misy mpanao politika mihetsiketsika manohana fitondrana na manohitra. Tanjona ny hahazoan-toerana atsy ho atsy, rehefa mba mitrangatranga eny. Mba tena fitiavan-tanindrazana no manetsika. Aoka izay ny kandida 30 na 50, manaratsy endrika ny firenena sady manahirana ny mpifidy. Mila mifampiresaka izy ireo, fa fantatra ny hahazo vato 0,1% na 2%. Mba kandidà roa na telo ny avy ny amin’ny mpanohitra na ireo tsy miandany, fantatra fa iray ihany avy amin’ny fitondrana. Tsy famerana ny demokrasia na fandrarana kandidà izay, fa mba hahamatotra kokoa ny fifidianana.
Takina ny fangaraharan’ny tomboantsoa hoe mihoapampana raisin’ny mpitondra. Mety izay tombontsoa izay koa no mahatonga ny mpikarama an’ady politika. Marina ve fa 5 tapitrisa Ar, ohatra, ny soliky ny depiote? Nefa hoe mahantra ny vahoaka. Angatahin’ny fikambanana ireo filohan’andrimpanjakana hilaza ny tombontsoa azon’izy ireo. Heverina ho zo sy fanajana ny vahoaka izany. Marina ny voalaza, raha tsy hatao izay.
Tokony tsy hiandany ny mpiasam-panjakana ambony, izay tendrena amin’ny filankevitry ny minisitra. Ny fahaiza-manaony no nanendrena azy, ka tokony hotandrovina ny tsy fiandaniana amin’ny andaniny na ny ankilany amin’izay kandidà amin’ny fifidianana. Tsy azo atao ny mampiasa fitaovam-panjakana mandritra ny fifidianana, ao anatin’izany ny mpiasam-panjakana.
R. Nd.