Ladoany : eto amintsika ny SG an’ny OMD

Tonga eto Madagasikara, ny talata 5 mey teo, i Kunio Mikuriya, sekretera jeneraly (SG) ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny haban-tseranana (OMD). Mi­fanandrify amin’izao fahatongavany izao ny fikaonandoha iraisam-pirenena mikasika ny ladoany, andiany faha-37 ny 8-10 mey izao, ny fivorian’ny filankevitry ny governora ny 11-13 mey, samy atao eto Antananarivo avokoa.

Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany malagasy, nandritra ny fitsenana ity vahiny ity, teny Ivato, fa mpikambana ao anatin’ny filankevitry ny governora ny tale jeneralin’ny firenena 24 mpikambana ao anatin’ny faritra Atsimo sy Atsinanan’Afrika (ESA), mivory indray mandeha isan-taona. Ity filankevitra ity no mandrindra sy mandamina ny asa hataon’ny fitantanana ny haban-tseranana, hiantohana ny fiarovana ny asa sady hifanakalozana samihafa, amin’ny asa atao. Hiarovana koa ny manan-draharaha sy ny orinasa, ary hanamafisana ny fahaiza-manao.

Hihaona amin’ny manam-pahefana malagasy koa ity vahiny manan-kaja ity.

Njaka A .

Partager sur: