Nomarihina teny amin’ny Park Alarobia, omaly alina, ny fanosorana ny mpanjaka Charles III. Niara-nanamarika izany ary tonga marobe ireo solontenam-panjakana sy ireo avy amin’ny masoivoho vahiny ary ireo mpanao politika eto amintsika. Samy niarahaba sy nirary soa amin’izao tantara manamarika an-dry zareo Britanika izao ireo rehetra nasaina tamin’izany.
Tsiahivina fa 70 taona aty aoriana izao fanosorona ho mpanjaka ny zanaka lahimatoan’ny mpanjakavavy, Elizabera II, izao ary efa notanterahina ny herinandro teo, tao Abbaye de westminster ny lanonana tamin’izany. Nanasana vahiny maherin’ny 2 300 ny fametrahana ny andriamanjaka eo amin’izany fiandrianany izany ka anjatony ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta niatrika sy nanotrona izany.
Tsiahivina fa anisan’ny mampiavaka an-dry zareo ny Lalàmpanorenana andriamanjaka, ao
Royaume-Uni an’i Grande- Bretagne miaraka amin’ Irlande Avaratra ary ireo fanjakana antsoina hoe “États souverains – Royaumes du Commonwealth”, mampiray firenena miisa 52 maneran-tany. Eo koa ny maha filoha faratampon’ny fiangonana Anglikanina azy ireo.
Synèse R.