Mozika klasika : hiverina ao amin’ny IFM Ny RE Ensemble

Mitohy hatrany ny «Con­cert classique de midi», fikarakaran’ny IFM Analakely. Efa nisehatra tao tamin’ny taon-dasa ary hiverina indray ny alarobia 17 mey izao ny RE Ensemble, hanatontosa ny andiany faha-139 amin’ity andian-tseho klasika ity. Ha­merina sy hamelona ny sanganasan’ireo mpamorona mozika klasika kalaza, toa an-dry Bach, Tchaïkovski, Debussy, Shostakovitch ary Röntgen, manomboka amin’ny 1 ora tsy diso, ary haharitra 45 minitra izany.
Tarika iray ivondronan’ireo mpanakanto manan-ta­lenta manokana amin’ny filalaovana mozika klasika ny RE Ensemble. Ahitana an’i Tiana Ramanantsoa (1er violon), No­mena Andrianasy (2é violon), Mahefa Andriamanantsoa (alto), Iavy Raobeloson (violencelle) ary i Mananjo Ra­bakoson (piano).
Aorian’ny ao amin’ny IFM, fantatra fa hiaka-tsehatra ao amin’ny AFT Andava­mamba ihany koa ny RE Ensemble, ny alahady 21 mey ho avy izao.

Zo ny Aina

Partager sur: