Sarotra atao

Tanin’ny moramora, hono, i Madagasikara ! Izany no fahi­tan’ny olona an’ity firenena mamintsika ity hatrizay. Diso tan­tetaka anefa izany raha mandinika lalina ny zava-misy isika. Tao anatin’ny herinadro, nahoraka sy nitehaka daholo ny rehetra fa vita ihany ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Nihoraka sy niarahaba ny ezaka vita. Tsy niherina akory ny volana, io mitabataba daholo indray. Manankiana sy mitaky ny tsy ham­pandaniana izany eny amin’ny Antenimierampirenena, ny anko­lafin-kery samihafa.
Andaniny, «Dedaka» ny fanjakana foibe, izay namolavola iny sy nampandany teny amin’ny filankevitry ny minisitra. Nilaza izy ireo fa natao hijerena manokana ny tombontsoan’i Madagasikara izany. Nomen-danja ny vola hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Tanjona ny mba hananan’ny firenena tahiry, hoenti-mamita ny tetikasam-pampandrosoana sy ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Milaza ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, manamafy fa hahazo vahana ny mpitrandraka madinika sy ny vahoaka eny ifotony.
Raha ny fantatra anefa, misy ambadika ny famoahana tampoka iny lalana vaovao iny. Toa nisy ny tsindry nataon’ny mpi­ara-miombon’antoka vahiny, ho takalon’ny 200 tapitrisa dolara, hoenti-manampy an’i Madagasikara. Ny gazety vahiny, Africa Intelligence, nivoaka ny 21 avrily lasa teo, no nilaza izany. Tafiditra anatin’ny kajikajin’ny fitondrana, hampidirana vola vahiny maro, hiatrehana ny fifidianana, voatondro amin’ny volana novambra ihany koa izany.
Ankilany, manomboka mivoaka tsikelikely indray ny mpa­nohitra ny lalàna vaovao. Izy ireo no nitehaka, iray volana lasa izay. Nanomboka nametraka fanontaniana ny sendikan’ny mpitrandraka madinika. Manameloka ny hevitra ambadika, ketrehin’ny fanjakana miaraka amin’ny vahiny mpandraharaha. Anisan’ny itondran’izy ireo fanamarihana, ankoatra ny fijerana ny tombony mivantana amin’ny mponina, ny hetra haloan’ny mpitrandraka vaventy eny ifotony. Latsaka ambany dia ambany ny anjaran’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mivan­gon­go amin’ny fanjakana foibe izany. Taratry ny figiazana fahefana, tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy izany.
Manomboka mivoaka amin’ny fahanginana ihany koa ny firaisamonim-pirenena sy ny fikambanana samihafa. Manentana ny olom-pirenena samy ho mailo noho ny ahiahy tsy hihavanana. Ny vontoatin’ilay sata rahateo tsy navoaka ampahibe-maso fa fihinin’ny fitondrana ho azy irery. Olana anefa, betsaka ny teboka ilana fanazavana, toy ny fifandraisan’ny tompon-tany sy ny olona homena taratasy fahazoan-dalana ary ny fanjakana, izay voalazan’ny lalàna fa tompon’ny harena ambanin’ny tany. Ahoana ny fifanarahana ? Inona no voarakitry ny lalàna vaovao ?
Santionany vitsy amin’ny fanamarihana ilana fanazavana ireo satria natao hilaminana fa tsy ho fototry ny savorovoro ny lalàna vaovao !

r.r

Partager sur: