Manana ho avy mamiratra ny fihariana anaty rano. Sahirana ny lafiny jono noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fanjonoana miompampana, hoy ny FAO. “Antony mahatonga antsika mirona amin’ny fiompiana trondro. Natao izany mba hahafahantsika mamorona asa sy mampiakatra ny fampidiram-bola isan-tokantrano”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, tetsy Ampandrianomby, omaly. Fantatra fa tafakatra 4,48kg isan’olona isan-taona ny fihinanan’ny Malagasy hazandrano, raha oharina tamin’ny taon-dasa izay 4,26kg. Tanjona, araka izany, ny hampiakatra izany, noho isika manana ireo renirano isan-karazany. Ankoatra izay, tonga nitsidika teny amin’ny minisiteran’ny Jono, ny tale, tomponandraikitra voalohany misahana ny sampana fanjonoana sy fihariana anaty rano, eo anivon’ny foibe FAO ao Roma, i Manuel Barange, omaly. Nisy ny dinika niarahany tamin’ny minisitra sy ny fifampizarana ara-teknika. Araka izany, hisy ny fiofanana omena an’ireo tomponandraikitra isam-paritra ka hizara izany amin’ireo mpisehatra rehetra.
Henintsoa H.