Tovovavy voaolana : notrobarana hazo sy vava basy ny fivaviany

Niharan’ny herisetra nataona manam-pahefana ao amina kaominina iray anatin’ny distrikan’i Vangaindrano ny tovovavy iray, ny alahady 2 avrily teo.

Zazavavy mbola mpianatra no niharan’ny fanolanana mahatsiravina nataona lefitry ny ben’ny Tanàna iray ao Bevaho, anatin’ny distrikan’i Vangaindrano, ny 10 mey teo. Kilasa T9 ity zazavavy ity. Ny alin’ny alahady 02 avrily lasa teo, niditra an-keriny tao amin’ny trano nisy io zazavavy io ity lefitry ny ben’ny Tanàna ity tamin’ny 11 ora alina. Efa mamo, nikasa hiray ara-nofo tamin’io mpianatra io izy. Nandositra niala ny tranony, araka izany, ilay tovovavy. Nenjehin’ilay mpanolana sy ny rahalahiny izy. Nitondra basy ireto farany, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny zandary miasa ao an-toerana. Voasambotra noho izany ilay zazavavy. Nasitritsitrik’izy ireo tamin’ny rano io mpianatra io ka nalemy. Naboridana, noleran’ireo mpanolana hazo ny fivaviany. Natsofony tany koa ny vavan’ny basy. Torana tsy nahatsiaro tena vokatr’io ilay zazavavy. Norakofany lamba io voaolana io rehefa noheveriny fa namoy ny ainy. Nahatsiaro tena tampoka anefa ilay zazavavy. Namonjy ny ray aman-dreniny, nitantara ny nanjo azy ary notsaboina teny anivon’ny hopitaly. Nitoroka teny anivon’ny zandary izy ireo taorian’io ka misokatra ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: