Nivoaka ofisialy, omaly alarobia 10 mey, ny lisitry ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 3 jona izao. Mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Fiary, Elly ary Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), ary ny filohan’ny delegasiona, Rasaony Pascal no mandrafitra izany. Raha ny fandaharam-potoana, mbola hiatrika fiofanana any Serbie ny Ankoay lehilahy mialohan’ny hiatrehana ity fifaninanana goavana ity. Araka izany, ny alahady 14 mey ho avy izao izy ireo no hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Novi Sad, Serbie.
Mialoha izany, mbola manohy ny kotrana etsy amin’ny Petit Palais Mahamasina ireto mpilalao ireto hatramin’ny sabotsy 13 mey izao. Efa amam-bolana izy 4 mirahalahy no niaraka nikotrana sy nanao fanazaran-tena. Tsiahivina, ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara amin’ity “World Cup 3×3” ity, miaraka amin’i Serbie, Brésil, Allemagne ary Frantsa.
Mi.Raz