ASE : “Ahina ny tsy filaminana”

Mandinika ny zava-misy rehetra mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ny «Apos­to­lat social et écologique» (ASE) ao anatin’ny fikambanan’i Jesoa, eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanom­boka omaly, etsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny telo andro anatanterahan’izy ireo ny andro sosialy. «Fi­fi­di­anana, filaminana sy fandriam-pahalemana» ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity.
«Mitady hisy tsy filaminana eny anivon’ny fiarahamonina vokatry ny antom-pisian’ ny fifidianana amin’ity taona ity ka antony nisafidianana ny lohahevitra», hoy ny chargé de programme participation citoyenne et efficacité économique eo anivon’ny Centre arrupe, Raderandraibe Rija. Tanjona ny hitadiavana vahaolana sy hifampiraharahana amin’ireo mpisehatra sa­mihafa sy tomponandraiki-panjakana.

Hisy ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra eo amin’ny mpikarakara sy ny mpandray anjara mandritra izany. Hivoaka ny sabotsy izao ny fehinkevitra tapaka rehetra ho entina handresen-dahatra ireo tomponandraiki-panjakana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: