Atrikasa momba ny asa soratra : hisy ny atrikasa ho an’ny any Ihosy sy Toliara

Hisy ny atrikasa mahakasika ny famoronana sy ny fanoratana, ataon-dRalan­toa­ri­tsimba Nirina, ny sabotsy 13 mey 2023, ho an’ny ao Ihosy, ary ny Alatsinainy 15 mey 2023, ho an’ny ao Toliara. Ny Academie national des Arts et de la culture na ANAC no mikarakara ny hetsika. He­tsika natao ho fampanarahana fenitra sy fampitomboana traikefa ary koa fanomezana ny fahaizana fototra tokony hananana ho an’ny mpanoratra vaovao. « Ny mpanoratra rehetra tsy ankanavaka sy ny maniry hiditra eo amin’izany sehatra izany no andrasana amin’izao hetsika izao », hoy ny tomponandraikitry ny hetsika.

Anjaran’ny ao Ihosy sy Toliara indray no hahazo traikefa sy fahaiza-manao avy amin-dRalantoaritsimba Niri­na mandritra io atrikasa io. Ny mahakasika ny famoronana asa soratra sy ny fanoratana izany no hatao mandritra ny atrikasa. Ho hita mandritra izany ny tetika sy paikady tokony ho ataon’ny mpanoratra manomboka any amin’ny famoronana ny asa soratra hatrany amin’ny famoahana izany. “Fantsona iray lehibe mitondra fanabeazana sy mitaiza ny olona rehetra ny asa soratra. Maro ihany koa ny miditra eo amin’izany sehatry ny fanoratana izany ankehitriny, indrindra ny tanora, ilaina hatrany ny mahalala sy mahafantatra ny fototra na dia misy aza ny aingam-panahy mba hampanara-penitra ny asa soratra”, hoy Ralantoaritsimba Nirina, mpanoratra boky sy manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny literatiora.

Efa nisy ny atrikasa ho an’Antananarivo, Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa talohan’izao atrikasa ho an’Ihosy sy Toliara izao. Misy ihany koa ny fifampizarana sy fizarana eo amin’ny samy mpanoratra. Eo ihany koa ny eo amin’ny mpitarika ny atrikasa sy ny mpanoratra mpanatrika. Anisan’ny olana tena sendrain’ny mpanoratra ny eo amin’ny famoahana ny asa soratra. Nisy ny torohevitra sy paikady nomen-dRalantoaritsimba Nirina ho vahaolana amin’izany.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: