Distrikan’i Morombe : lehilahy nesorina voamaso hita faty natsingevan’ny rano

Natsingevan’ny ranomasina, tsy nisy aina intsony ny lehilahy iray, hita tao Am­bolomoky-Andavadoaka, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe, afakomaly. Hanarato, hataraina ny an’ny mpanarato iray raha nahita vatana mangatsiaka natositosiky ny ranomasina. Niantso ny manodidina izy. Nosinto­nina tao anatin’ny rano io vatan-dehilahy io. Lehilahy iray atao hoe Alexis, mipetraka ao amin’io tanàna io ihany izy. Nahitana diam-pamaky ny hatony. Tsy hita intsony ny voamasony roa. Nampano­ta­ny tena ny manodidina, arak’izany, ity tranga ity. Ma­nahy amin’ny hisian’ny halatra taova ny mponina sasany. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.
Hita faty
Ankoatra io, lehilahy iray hafa koa hita faty, tetsy amin’ny zaridaina Mamory Ivato, omaly maraina. Namoy ny ainy vokatry ny aretina nahazo azy ity raim-pianakaviana ity. Nataon’ny mpitsabo ny fizahana ka nahitana taratasim-panafody tany anatin’ny kitapo nentiny. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso, tsy mponina eny an-toerana ity namoy ny ainy ity. Marihina fa lahiantitra iray hafa koa hita faty teo ivelan’ny tranoben’ny gara lamasinina Ma­diotsifafana Ambatondrazaka, afakomaly vao maraina. Efa mpatory an-dalana izy io. Nahitana vola zato sy dimy arivo teny aminy niaraka tamin’ny baiboly kely.

Tsiferana R.

Partager sur: