Fampiasam-bola : mahazo fanasana handinika lalàna ny GEM

Nihaona sy niresaka tamin’ ny mpanao gazety tetsy amin’ ny foibeny, etsy Ambohijatovo, ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar), omaly. Voaresaka tao ny famolavolana ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola izay nodinihina eo anivon’ny Ante­ni­mi­erampirenena. Nahazo fanasana hakana hevitra mahakasika izany ny eo anivon’ny GEM raha nanontaniana.
«Faly sahirana izahay ma­no­loana ny fanasan’ny fanjakana iara-kandinika aminy ny volavolan-dalàna eny anivon’ ny Antenimierampirenena», hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry-Marie. «Eo ankilany, tara loatra ny fanasana nataon’ny fanjakana, tokony antsoina mialoha izahay ahafahana miomana mialoha», hoy izy. Nilaza izy ireo fa efa tokony nolaniana roa taona lasa izany. Nohamafisin’izy ireo fa efa ao anatin’io volavolan-dalàna io avokoa ny hevitry ny mpiasa tsy miankina rehetra.
Handrasana, araka izany, ny valin’ny fehin-kevitra ataon’ny solombavambahoaka mikasika izany. Nasiam-panavaozana ny lalàna mba hamaly ny fivoarana takin’ny sehatry ny fandraharahana sy hampitoviana ny herijika eo amin’ny mpandraharaha malagasy sy ny vahiny.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: