Notanterahina teny Talata Volonondry, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny depiote voafidy eny Avaradrano, Randriambolaina Gerry. Teo koa ireo biraon’ny distrika DisTim sy ireo ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina voafidy amin’ity antoko ity. Eo koa ireo mpikatroka eny anivon’ny KomTim, avy amin’ireo kaominina miisa 16 eny an-toerana. Nohamafisina tamin’izany ny fototry ny antoko ary nomena ny toromarika amin’ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena. Eo koa ny fanomanana ny fihaonamben’izy ireo, hatao eny Sabotsy Namehana, ny 27 mey ho avy izao.
Etsy andaniny, mitohy ny asa fanamboarana lalan-kely eny amin’ny fokontany eny Ambodihady Ambohimanarina, boriborintany fahenina. Nirotsaka an-tsehatra ary nanara-maso ny fotodrafitrasa natao ny depiote Andriamapandry Todisoa. Efa ho vita ny nangatahan’ny mponina eny Ambodihady, anisan’ny nampanantenaina azy ireo. “Miangavy antsika mba ho kojakojaina ny fotodrafitrasa rehetra, nataontsika”, hoy izy.
Tsy mankasitraka Tetezamita ny Tim
Nanteriny fa betsaka ny asa vita. Mbola maro ihany koa no hiarahana manantanteraka ary tsy ho diso anjara ny fokontany rehetra.
Ankoatra izany, mbola nanamafy ny tsy ilana ny hametrahana ny fitondrana tetezamita izany ny antoko Tim, raha ny nambaran’ny depiote Ralambozafy Fetra. “Ny fifidianana ihany no vahaolana ary tsy maintsy hatao izany satria efa ho tapitra ny fotoam-piasan’ny filoha amperinasa”, hoy izy.
Synèse R.