Nitohy, omaly, tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny fidinana ifotony tanterahin’
ny eo anivon’ny Ceni. Nanome toromarika sady nizara ny tambin-karaman’ireo nisahana ny fanisana mpifidy izy ireo tamin’izany.
Anisan’ny nisitraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny “CLRE”, eny amin’ny fokontany sy ny kaominina “CEC”, niainga avy amin’ny volavola eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni izany ary nankatoavina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana. Natao hampirisihana azy ireo noho ny vesatry ny asa nandritry ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.
Mitentina hatrany 8 miliara Ar ny vola zaraina ka mitsinjara ho 150.000 Ar isaky ny CLRE ary 100.000 Ar kosa ho an’ny mpikambana CEC.
Teo koa anefa ny fanamafisana ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana eny anivon’ny fokontany hatramin’ny faran’ny volana mey izao, ho an’ireo tsy mbola nahavita ny adidiny. Manampy izany ny fanentanana ny hanamarinana ny anarana sy ny mombamomba ny tena eny anivon’ny fokontany na ao amin’ny tranokalan’ny Ceni, ho an’ireo efa nahavita.
Tsy maintsy hisy ny fifidianana
Nomena toromarika koa ireo ratsamangaika ny amin’izany ka tanterahana amin’ny alalan’ny hetsika maromaro izany. Eo ny fanaovana dia rodobe ho an’ny fanentanana “Caravane de sensibilisation”, ny fanentanana manokana “Sensibilisation ciblée”…
Anisan’ny nataon’ny iraky ny Ceni koa amin’izao fidinana ifotony izao ny dinidinika sy fanaraha-maso ny asan’ireo rantsa-mangaika. Tafiditra ao anatin’izany ny fanitsiana ny lesoka sy ny fomba fiasa
Tsiahivina fa efa nanomboka ny 5 mey teo izao hetsika amin’iny lalam-pirenena RN7 iny. Niainga tao Toliara, Ihosy, Fianarantsoa, Ambositra ary nofaranana tao Antsirabe, omaly. Nitarika izany ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene. “Tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity”, hoy izy.
Synèse R.