Manana zo hahazo vaovao momba ny fifidianana sy haneho ny safidiny malalaka rehefa tonga ny andron’ny fifidianana ny olona manana fahasembanana.
Volana maromaro mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana eto amintsika, tsy voaresaka mihitsy ny momba ny fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny tambajotra malagasy momba ny fahasembanana, Razafindrakoto Falihery, omaly , teny Analakely. Efa manao ezaka ny fiarahamonina sivily toy ny ivontoerana Safidy manentana ny olon-drehetra momba ny zotram-pifidianana sy ny tsara ho fantatra eny anivon’ny fiarahamonina.
Hatramin’izao, tsy misy fitaovan-tserasera, fizarana vaovao momba ny fifidianana, mifanaraka amin’ny filan’ny olona manana fahasembanana. Efa nofoanana rahateo ny fampiasana ny tenin’ny tanana mandritra ny filazam-baovao amin’ny fahitalavitra nasionaly. teny tena ilain’ny olona moana-marenina satria zony ny hahazo vaovao isan’andro toy ny olom-pirenena rehetra. Sarotra ho an’ny olona manana fahasembanana koa ny fandraisana anjara ho an’ny fisoratana anarana anatin’ny lisitra sy ny fanamorana ny fanitsiana raha misy diso ny mombamomba azy ireo. Betsaka ireo biraom-pokontany tsy ahafahan’ny olona manana fahasembanana mivezivezy fa misy tohatra manahirana.
Tsy voafaritry ny lalàna
Fahasahiranana toy izay koa rehefa tonga ny fotoam-pifidianana, olana amin’ny biraom-pifidianana, tsy manana lalana azon’ny seza misy kodiarana handehanana. Tokony misy fepetra manokana ho an’ireo mpifidy manana fahasembanana (jamba na manana fahasembanana ara-batana…) mila olona miaraka aminy anatin’ny toeram-pifidianana sy ny trano fisainana. Tsy voafaritry ny lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika ny momba izay tranga izay.
Mandray anjara anatin’ ny fivoriana miaraka amin’ ny mpikambana ao amin’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (Ceni) ny mpisehatra momba ny fampivoarana ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mandroso tolo-kevitra maro ho fampandraisana anjara ny olona manana fahasembanana amin’ny zotram-pifidianana izy ireo. Voalaza fa mila volabe avokoa ny fanatanterahana ny tolo-kevitra. Voafetra anefa ny sora-bola hikarakarana fifidianana.
Vonjy A.