Henan’omby : tsaho ny filazana fa mampiasa «formol»

Nidina ifotony koa omaly, ny fitantanana ny Fiompiana (DGE) ao amin’ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Narahi-maso ny toerana famonoana omby eny Ampasika. Hita fa manaraka ny fitsipika sy ny fepetra rehetra ara-pahasalamana, ny henan’omby ity toerana ity. Nohitsin’ny tale jeneralin’ny Fiompiana ao amin’ny minisitera, Lezoma Tsiry, fa «miasa foana manatanteraka ny andraikiny ireo sampana samihafa ao amin’ny fanjakana». Nanamafy izany ny mpitantana ny toerana famono­an’omby eny Ampasika, «tsy maintsy asiana fitomboka ma­nga ny hena rehetra mivoaka ato aminay, midika fa natao fanaraha-maso ara-pahasalamana sy azo hohanin’ny mpanjifa», hoy izy.
Nomarihin’ny DG-n’ny Minae fa hisy ny fanadihadiana an’izay manely vaovao tsy marina toy izao, ary handraisana fepetra hentitra.

Njaka A.

Partager sur: