Herinandron’i Eoropa : hetsika maroloko etsy Analakely

Hankalazaina etsy amin’ ny tokontany malalaky ny La­pan’ny Tanàna Parvis Ana­la­kely ny Herinandron’i Eo­ro­pa. Maro ny hetsika hanamarihana izany, ahitana tranoheva miisa 24, handraisan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Von­­drona Eoropea­ni­na (UE), Frantsa (AFD), Ale­ma (GIZ) anjara. Ao anatin’ izany, ny sehatry ny toekarena, ny tontolo iainana, ny sosialy, ny kolontsaina, sns. Tsiahivina fa ny 9 mey ny andron’i Eoropa.
Anisan’ny hetsika mampiavaka ity fankalazana ity koa ny lafiny kolontsaina. Nisy ny fifaninanana maka sary, ka nahazo ny voalohany Raha­ri­san­dratana Finiavana. Sary maneho ny firongatry ny tiomena, rivotra arahina fasika, mameno ny tanety any atsi­mon’ny Nosy ny lohahevitry ny sary nalainy.

Njaka A.

Partager sur: