Ilaka Centre : Taksiborosy nivadika, olona 11 naratra

Olona 11 indray naratra! Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Begoaika fokontany Soavina kaominina Ilaka Centre Pk 228 + 60, omaly tamin’ny 3 ora sy 05 mn maraina. Naharay antso ny zandary misahana ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena fa­hafito (RN7) fa nisy fiara mpitatitra olona an’ny kaoperativa iray mampitohy an’An­tananarivo sy Toliara tra-doza teo amin’io toerana io. Hizo­tra ho any Atsimo ity fiara ity tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Nidina haingana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary nanao ny famonjena ireo naratra. Tsy nisy ny aina nafoy fa olona 11 no naratra ka nalefa haingana ao amin’ny hopitalin’Ambositra.

J.C

Partager sur: