Nifarana hatreo ny lalan-dRasoanaivo Razafy Laura, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Judo, sokajy Seniors. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany izy.
Tsy nahomby nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Samardzic Aleksandra (Bos), sokajy latsaky ny 70 kg, seniors, Rasoanaivo Razafy Laura, omaly, tany Doha Qatar. Nahazo “shidos” 3 tao anatin’ny 1 minitra monja i Laura ka nanana tombony ny mpifanandrina taminy. Nitohy tamin’ny fahadisoana ara-teknika izany avy eo ka nosokajin’ny mpitsara ho faharesena “Hansuku-make”.
Araka izany, nihintsana avy hatrany ity solontena malagasy manana ny maha izy azy ity. Tsy tapitra hatreo anefa ny lalany, araka ny nambarany taorian’ny faharesena. Hifantoka amin’ny fifaninanana afrikanina ho avy ato ho ato indray i Laura, manomboka izao.
Tsiahivina, nidina ho laharana faharoa maneran-tany, sokajy seniors izy, raha toa ka efa nitana ny lohany nandritra ny iray volana teo. Tsy nanadino nisaotra izay rehetra nanohana azy Rasoanaivo Razafy Laura. « Vita izay ny Mondial 2023, natao taty Doha. Indrisy fa resy 1 er tour ny tenako ary vonona ny hanatsara izany aho. Misaotra anareo vahoaka malagasy izay nanohana ny tenako aho », hoy i Laura.
Tsara ny mampahafantatra fa miisa dimy ny medaly volamena azon’i Laura, nandritra ny fifaninanam-pirenena izay nataony. Anisan’izany ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, natao tany Tonizia, Alzeria ary Angola.
Efa nigadona any Doha Qatar, omaly alina, ihany koa ny solontena malagasy iray, Ramiandrisoa Haingo, sokajy mihoatra ny 78 kg ary efa niatrika ny fanazarantena. Rahampitso 13 mey izy no hiaka-tsehatra, manoloana ilay koreanina, i Park Saetbyeol.
Mi.Raz