Mpisandoka mizara tany : efatra mianadahy nampiasa ny anaran’ ny Filoham-pirenena

Voasambotry ny zandary, teny Ivato, omaly, ny olona efatra, misoloky volan’olona amin’ny resaka fizarana tany. Nisandoka sy nampiasa ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina izy ireo.

Tra-tehaky ny zandary omaly, ireo efatra mianadahy misandoka ho avy amin’ny fikambanana iray mpizara tany. Milaza fa avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ka mampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena. Alainy avokoa ny dika mitovy amin’ny karapanondron’ny lasibatra, sary tapaka, hatramin’ny vola. Maka volabe aman’alina izy ireo ho takalon’ny tany mirefy 100 Ara ho an’izay nisoratra anarana. Nahay nampandy adrisa ny mpisoloky, betsaka no roboka, nentim-pahatokisana loatra.

Nitety tanàna…
Ankoatra ny teny Ivato, nitety tanana maro ireto mpisoloky efatra mianadahy. Tsy tany ambanivolo ihany, fa hatraty Antananarivo renivohitra. Anisan’ny efa nahazoan’izy ireo vola, ny mponina teny Antohomadinika III G Hangar, Andoharano­fotsy, sy Ankadikely Ilafy, ary Ambohimanarina.
Rehefa natao ny fisavana ny toeram-ponenan’ireo mpi­soloky, nahitana dika mitovy karapanondron’olona samihafa miisa 389 tao amin’izy ireo. Nisy sary tapaka 336 sy karapanondro tena izy 145. Taorian’ny nahatraran’ny mpitandro filaminana azy ireo, norai­sin’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava ny raharaha. “Entanina ireo lasibatra hanatona ny SRC Fiadanana”, hoy ny eo anivon’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: