Nihaona tamin’ireo mpandraharahaha ao amin’ny faritra Menabe ny tale jeneralin’ ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, ny herinandro lasa teo. Nambarany nandritra izay fa tonga ao an-toerana ny wifiber sy ny eSim. Karatra nomerika 100% ny eSim izay ahafahan’ny mpampiasa azy mahazo tombontsoa amin’ny tolotra Orange rehetra amin’ny fomba mora sy amin’ny fomba tsotra. Hanampy betsaka ny Malagasy izany, mora rahateo ny fampiasana azy. Efa anaty finday avy hatrany ny eSim ary afaka misitraka sy mampiasa ny tolotra omen’ny Orange avy hatrany ny mpampiasa azy. Toy ny fanaovana antso, fandefasana someso, fampiasana internet na koa ny tolotra Orange money. Ankoatra izay, nanolotra ny wifiber misy ny connexion internet haingam-pandeha tany Antalaha, ihany koa, ny tale jeneralin’ny Orange, afakomaly. Nambarany fa misy ny wifiber pro natokana ho an’ireo orinasa sy ireo mpandraharaha rehetra fa indrindra ireo izay misehatra amin’ny lavanila. Afaka hijerena horonan-tsary sy hiasany avy hatrany ny tolotra omen’ ny wifiber. Ankoatran’ny ao Morondava, ahitana azy any Taolagnaro, Antananarivo, Mahajanga, Toamasina. Mbola afaka misitraka izany ihany koa ny mponina ao amin’ny faritr’i Fianarantsoa, Sambava, Antsirabe, Nosy Be, Antsiranana sy Antalaha.
Henintsoa H.