“Tsy miteny aho hoe tsy tokony hiara-miaina amin’ny any ivelany. Tsy afa-miolonolona isika, fa tsy maintsy miara-monina amin’ny firenen-kafa. Izay no fanatontoloana. Nefa ao anatin’izay, tokony harahina tsara ny jeo-politika hahazoantsika mametraka ny maha isika antsika.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena hoe tsabahin’ny vahiny amin’izao. Azo avy amin’ny maha izy ny tena ny fiandrianam-pirenena, dia mijoro amin’izay ny tena.
Ny tena tsy mijoro, tsy mihavana, tsy miray hina, tsy miaina amin’ny fanahy maha malagasy amin’ny soatoavina sy ny fahendrena… Toy ny sadasada izany, ka mora lalaovina sy tsabahin’ny hafa. Fikambanana no hery, nefa mbola misaratsaraka ny tena. Vao mainka sarahin’ny olona, tsy afa-mijoro sy miaro izay an’ny tena. Misaratsaraka ka samy maka ny tombontsoa kely eny amin’ny sisintsisiny eny. Tsy afa-mijoro amin’izay soa tena tokony hiainany ny firenena amin’izany.
Ilaina ny fijoroana amin’ny maha izy ny tena
Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao na rehefa fetin’ ny Fahaleovantena, mimenomenona ny sasany fa tsy hanangan-tsaina: tsy mbola mahaleo tena, hono, i Madagasikara, itsabahan’ny hafa ny raharaham-pirenena, baikobaikoin’ny any ivelany…Tsy izay tian’ny mpifidy, hono, no tonga eo amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana, fa izay tian’ny any ivelany. Eo koa ny hoe ny any ivelany no tena mitavana ny harena eto Madagasikara.
Lasa ny avy any ivelany no mibaikobaiko, mitsabatsabaka, misitraka ny zavatra eto… Toa tsy tsapan’ny tena ny hoe fiamboniana. Toy izany koa amin’ny zavatra vita malagasy, ohatra, fa ny avy any ivelany no tsara. Manomboka amin’izany zavatra kely iainana andavanandro izany ny toe-tsaina manary ny fiandrianana.
“Isika indraindray no manary ny maha isika antsika. Vao mainka tsabatsabahin’ny hafa hatramin’ny any ambony… Raha miara-mijoro sy miaina ny fanahy malagasy isika, miaina ny fihavanana ny fiarahamonina malagasy maneho ny endrika maha isika antsika fa tsy manaratsy endrika ny tena: sarotra ny hafa ny hanimbazimba…”, hoy izy. Raha ny tena aza mifanimbazimba an-toerana, vao mainka mahafaly ny hafa ka hidirany, tsabatsabahiny, hitsakitsahiny, raofina avokoa izay azony raofina…
`
R. Nd.