Samy mailo

Milamindamina ny raharaham-pirenena. Samy miezaka manasongadina ny tenany ny mpilalao politika. Raha anisan’ny niketriketrika tetezamita ny fitondrana. Mivoy ny fifidianana indray ny mpanohana ny filoha Rajoelina Andry. Miseholany ny fampirisihana ity farany hilatsaka hofidiana. Anisan’ny tsy manafina izany ny mpikambana amin’ny governemanta isan-tsokajiny. Misy ny manao fanambarana mivantana. Misy ny manovokovoka eny amin’ny tambajotran-tserasera. Eo ireo manao fampielezan-kevitra ankolaka sahady, mamadika ny Velirano vita ho politika.
Fanina ny vahoaka, zary ataon’ny mpanao politika kilalao. Tsy hita izay ho harahana. Teo aloha nila vaniny ny mpanohitra fa fifidianana ihany. Amin’izao fotoana izao, samy tsy handrenesam-peo fa toa mirona any amin’ny tetezamita. Sady taratry ny tsy fahaleovantena izany no porofo fa kilalaom-bazaha ihany koa. Toa mitovy fa tsy sahala fotsiny izy rehetra. Mitovy fomba fanao, mitovy teny havoaka. Iray ihany ny tanjona dia ny fizaran-tseza sy fakana fahefana. Mampiseho fitiavantena fa tsy fitiavan-tanindrazana.
Inona no hanontsanontsanana izany ? Efa tafahoatra ny ngidim-piainana zakain’ny Malagasy. Mafy ny ady. Mavesatra ny entana lanjaina amin’ny famiravirana firenena. Milentika tanteraka ilay Madagasikara. Hatramin’izao anefa, iza no mba mandray andraikitra amin’ny sosialim-bahoaka? Iza no mitady vahaolana mahomby sy maharitra? Petatoko sy vonjy tavanandro no misy, andaniny. Fampiesonana sy fampandriana adrisa hahazoan-tseza ,avy amin’ny ankilany. Miala olana dia miditra olana ilay « Gasy kely ».
Iza ary no hantenaina ? Tsy misy valiny azo homena afa-tsy ny fahatsapan-tenan’ny Malagasy tsivakivolo. Efa samy manavotra ny tenany rahateo, kolontsaina izay iniana volena ankehitriny. Miankina amin’ny vahoaka ny hahafahany mivoaka na tsia amin’ny lalam-pamonjena azy. Ireo raiamandreny am-panahy, izay noheverina ho mpitari-dalana, aza ity efa miditra lalina amin’ny politika ihany koa. Porofon’izany ny maha mpiantsehatra azy amin’ilay fikaonandoham-pirenena. Na inona na inona tanjona, anaty kajy politika izany. Misy foana ny vondrona na antokom-politika mikatsaka na efa mahazo tombony amin’izany.
Saropady ny raharaha ka mila fahamalinana sy fitandremana lalina. Eo am-piandrasana izay hiseho. Anisan’ny tokony hihazakazaka hanamarina ny lisi-pifidianana aloha ny sarambabem-bahoaka. Arakaraka ny mahamaro ny mpifidy manko no mahamasina sy matotra ary mampadio ny fifidianana. Zo sy adidy ary fitiavan-tanindrazana izany sady fandraisana andraikitra amin’ny famahana ny olana miseho rehetra rahateo.

r.r

Partager sur: