Mbola anatin’ny herinandron’i Eoropa isika. Maro karazana ny hetsika hanamarihana ity fankalazana ity. Omaly, nisy ny atrikasa natao, teny Ankorondrano, nihaonan’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ireo sehatra tsy miankina. “Mikasa hanohana ny Malagasy mpandraharaha amin’ny fidirana eo amin’ny tsena eoropeana ny Vondrona Eoropeanana”, hoy ny fanazavan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle Delattre. Misy ny pitsopitsony mila dinihina hahafahana manatanteraka izany, raha ny fanazavana. Anisan’izany ny fomba hanohanana ireo orinasa malagasy sy ny fepetra takina amin’izy ireo. Ankoa tra izay, niara-nidinika amin’ ny World Trade Organisation (WTO) ihany koa ny Vondrona Eoropeanina momba ireo olana ara-teknikan’ireo firenena mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hanatsarana ny fepetra hidiran’ny Malagasy mpandraharaha eo amin’ny tsena eoropeana. “Indraindray anefa ny mpandraharaha no diso fanantenana manoloana ny zava-misy. Tsy atao sakana izany fa jerena hatrany ny fomba hanampiana sy hanatsarana ny toe-draharaha”, hoy hatrany ity masoivohon’ny Vondrona Eoropeana ity. Marihina fa ankalazaina eo amin’ny tokontany malalaky ny Lapan’ny tanàna, Parvis Analakely, ny herinandron’i Eoropa. Miisa 24 ireo tranoheva handraisana an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Vondrona Eoropeanina toy ny Frantsa (AFD), Alema (GIZ) anjara.
Henintsoa H.