Miely ny feo any Maroantsetra fa hafindra toeran-kafa ny filohan’ny mpitsara any an-toerana ary haverina hitantana kosa ny mpitsara tranainy teo aloha. Tsy mahafa-po ny vahoaka any an-toerana anefa ny fomba fiasan’io mpitsara teo aloha, kasain’ny fanjakana haverina io.
Nanao fanambarana ho an’ny ministry ny Fitsarana noho izany ireo fikambanan’ ny beantitra (olon-kendry sy zokiolona ao Maroantsetra, mpiasa misotro ronono ary kaomitin’olon-kendry) any an-toerana, ny 17 Avrily lasa teo. Nangatahan’izy ireo ny hanafoanana ny famindran-toerana hoan’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany miasa any an-toerana ankehitriny. Manao tsara ny asany ary sarotiny amin’ny fampiharana ny lalàna velona ka mendrika hotohanana izy io, raha araka ny fanambarana nataon’izy ireo.
Nilaza izy ireo fa efa nahazoana fitarainana avokoa ireo mpitsara niasa tany an-toerana satria tsy nahafa-po ireo vahoaka ny fomba fiasan’izy ireo. Anisan’ny nanjaka ny kolikoly tany an-toerana ka niteraka fanimban’ny vahoaka ny biraon’ny fitsarana, tamin’ny 2016.
Marihina fa efa nalefa teo anivon’ny prezidansa sy ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta ihany koa ny fangatahana.
Mino (mpianatra asa)