« Amboaran-kira ho an’i Neny » : hiray sehatra indray i Njakatiana sy i Bodo

Tsy voalohany ny fiarahana ho an’i Njakatiana sy i Bodo. Maro ireo mpankafy ireo fampiaraham-peo iarahan’ireto kalaza ireto, toa ny anatin’ny “Toera-mamy”, “Ry foko”, “Resinao”, sns. Hira nampahafantarana ny fiarahana an-tsehatra, toa ilay seho “Mifampitantana”, izy ireny…
Fantatra izao fa hisy tohiny izany, mandritra ny seho “Amboaran-kira ho an’i Neny”. Hotontosaina ny 4 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao An­tsahamanitra izy io. “ara­ka ny anarany, fetin’ny reny io ka homentsika fitiavana manokana izy ireo. Na izany aza, fetin’ny mpianakavy ko­koa izy ity”, hoy ny filazan’i Nja­katiana.
Hisy ampaham-potoana, samy hanolotra ny kantony ny tarika tsirairay. Hibahana kokoa anefa ny fampiaraham-peo, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Satria haharitra ora 4 sy sasany ny seho, hasiana rindra manokana ny toerana amin’io mba tsy handreraka ireo mpankafy.

Zo ny Aina

Partager sur: