Cisco Avaradrano : navitrika tamin’ny adina ara-panatanjahantena ny mpiadina

Nifarana omaly, ny adina ara-panatanjahantena, naha­ritra dimy andro, natao teny amin’ny kianjan’Andrala­nitra- Akamasoa, ho an’ny Cisco Avaradrano. 8279 ny isan’ny mpiadina nanatrika raha 8808 no hiatrika ny BEPC amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny lehi­ben’ny Cisco Avaradrano, Ratsimandresy Aina Nambi­nintsoa, omaly. 1 600 isan’andro ny mpiadina nandray anjara raha 37 ireo mpiasa rehetra nampandeha ny asa tao anatin’ny dimy andro. Ho fanalana fahasahiranana ny mpiadina tany Ankadinan­driana, nidina tany an-toerana ny mpanadina ny alarobia lasa teo satria manana fotodra­fitrasa rahateo izy ireo. Nio­mana momba izay ny mpiandraikitra tao amin’ny Cisco Avaradrano.
Saika tonga avokoa ny mpiadina tamin’ity taona ity ary navitrika niatrika izany. Tsy nisy ny olana saro-bahana sy ny ratra na fahatoranana satria tsara fiomanana ny rehetra. Ampy tsara ny mpiasa nisahana ny sokajinasa samihafa. “Isaorana lehibe ny Mompera Pedro Opeka nampindrana ny fotodrafitrasa, nanamora ny fanatanterahana ny adina”, hoy ity tomponandraikitra ity.

Vonjy

Partager sur: