Voasakan’ny zandary teny amin’ny RN7, polisy iray nahatrarana firavaka halatra sy vola mitetina 7 tapitrisa Ar tao Antsirabe, afakomaly alina. Nitrangana vaky trano nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar mahery tao amin’ny tokatranon’ny sinoa mpividy vato anatin’ny fokontany sy kaominina Tanakidy, distrikan’i Vondrozo, ny alahady hifoha ny alatsinainy 8 mey teo tamin’ny 2 ora maraina. Nihanika tamboho, nopitsohan’ireo olon-dratsy ny trano ka tafiditra tao ambany rihana izy ireo. Voaroba ny vola amina gony mahatratra 30 tapitrisa Ar mahery. Maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpiambina ny tanàna. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary ao Vondrozo. Vokany, olona efatra voasambotra ny alakamisy 11 mey teo. Nahatrarana vola 2 700 000 Ar tao anatin’ny findain’ny iray tamin’izy ireo. Iray hafa kosa nilaza fa efa lany ny vola anjarany. Niaiky heloka avokoa izy ireto. Nitoroka ireo namany mpiara-miombona antoka aminy izy efatra tra-tehaka ireto.
Tratra teo Antsirabe
Araka ny angom-baovao azon’ny zandary ao Antsirabe, nanao fanaraha-maso sy fisavana ireo fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena fahafito izy ireo. “Tratra tamina lehilahy iray ny vola sy ny firavaka volamena niampy fitaovam-piadiana”, hoy ny zandary. Mitetina 7 tapitrisa Ar ny vola tratra teny aminy. Anisan’ireo firavaka lasibatra tany Tanakidy, distrikan’i Vondrozo io sarona io. Araka ny loharanom-baovao, polisy io lehilahy nahatrarana entana halatra io. “Noraisin’ny compagnie territoriale ny raharaha”, hoy ny zandary miasa amin’ny RN7 ao Antsirabe.
Tsiferana R.