Fandehanana any Etazonia : niakatra ny saran’ny visa

Nampahafantatra ny ma­soivohon’i Etazonia, amin’ny alalan’ny biraon’ny kaonsilary, fa manomboka ny 30 mey izao dia hiakatra 185 dolara raha 160 dolara teo aloha ny saran’ny visa mankany Eta­zonia ho an’ny fizahantany sy ho an’ny fianarana (NIV) tsy mifototra amin’ny fifanarahana arakasa. Ny saran’ny visa mahakasika ny asa vonjimaika dia hiakatra 205 dolara raha 190 dolara izany teo aloha. Ny saran’ny visa catégorie Edia hiakatra 315 dolara raha 205 dolara teo aloha.
Ireo mpangataka visa izay efa nandoa ny sarany sy efa manana rosia manan-kery (tsy lany andro) dia tsy voatery handoa sarany fanampiny intsony. Tsy mila mandoa sarany fanampiny intsony ihany koa ireo mpangataka visa izay efa nohadihadiana ary efa eo ambany fanaraha-maso ny fangatahany.
Kajy mifototra amin’ny vidin’ny fanomezana ny to­lotra ny saran’ny visa, araka ny fanazavana hatrany.

Tatiana A

Partager sur: