Filohan’ny Antenimierandoholona: «Fiatrehana fifidianana izao no ezahina»

Nitondra ny heviny koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny fifidianana.

“Ny fiezahana mia­trika fifidianana amim-pahatoniana izao no atao mba hilamina aloha sy mandritra ary ao­rian’ny fifidianana. Mba hoeken’ny rehetra izay voka-pifidianana eo. Na inona na inona vokatra eo, tokony hoeken’ny rehetra.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ra­zafimahefa Herimanana, teny Tanjombato, afakomaly, ma­noloana izao itakiana sy ila­zan’ny sasany ny firosoana amin’ny fitondrana Teteza­mita izao.
“Gaga sy variana ihany aho amin’ny hevitra rehetra mitsiry etsy sy eroa”, hoy izy. Eo ny hoe fanovana ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), fanovana ny Vaomiera mahaleo tena mi­sahana ny fifidianana (Ce­ni), fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita… Aza hadinoina efa dimy taona izao ny vahoaka malagasy no miandrandra ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity, araka ny lalàmpanorenana. Mba hahazoan-dry zareo maneho hevitra ny fifidianana. Izay ny demokrasia.
Efa volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana ve vao hamorona an’io antsanga tsy aman’orana rehetra io?

R. Nd.

Partager sur: