“Malahelo aho mahita antoko politika sy ny sasany manambara fa tsara ny hidirantsika amin’ny Tetezamita”, hoy ny depiote Ratsiraka Roland.
Fantatra ny dikan’ny Tetezamita fa fiadiana seza sy fanaovana ampihimba ny toekarena. Vao mainka miato ny fiaraha-miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. “Tsy misy zavatra mahasoa antsika ny Tetezamita”, hoy izy.
Tsotra ny anton’ny mahatonga an-dry zareo mpanohitra mivoy ny fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita: loza ho an’ny firenena ny fanambaran’ ny eo amin’ny fitondrana hoe tsy maintsy voafidy fihodinana voalohany ny filoha amperinasa. Izay no mahatonga azy ireo hoe tsy maintsy miditra Tetezamita. Tsy mety raha hoe hitrifana ny fitondrana dia hanao zavatra tsy mety na hanoro lalana tsy mety ny mpanohitra. Eo koa ny Vondrona eoropeanina nilaza hoe ekena ny Tetezamita, raha ilain’ny vahoaka. Maninona izy no tsy miteny an’izany any Alemaina, Etazonia, Frantsa… ?
R. Nd.